Manorena tsangambato

Ankoatran’ny asa aman-draharaha izay nosahaniny teto amin’ny firenena  dia nanan-talenta tamin’ny fanoratana tononkalo koa Itompokolahy RAZAFINDRAZAKA antsoinay taranany hoe : « DADA ».

Raibeko avy amin’ny Reniko izy ary io sangan’asany farany izay nampitondrainy ny lohateny « Manorena tsangambato » io no nanova tanteraka ny famaritana ny ho avin’ny fiainako, satria nisehoany tamin’ny alalan’ny nofy nifanesisesy aho ary nirahany hanatanteraka izay voarakitra ao.

 

Nandritra ny telopo-taona aho dia nanokana ny fiainako tany Eropa nandranto fahaizana amam-pahalalana, niasa teo amin’ny sehatry ny fitsaboana nentim-paharazana tantsinana na « Medecine énergetique traditionnelle et holistique », no nisahana ny tokantranoko amin’ny maha Renim-pianakaviana ahy.

Tsy nosaintsainiko iray minitra akory hoe io sangan’asan’ny raibeko io no hanova tanteraka ny fomba fijeriko ka nanosika ahy hitodi-doha aty an-tanindrazako mba hikarakara sy hampandroso ny fireneko sy ny vahoaka malagasy.

 

Resy lahatra tamin’ny hevi-dehibe nofonosin’ny lahatsoratra aho ka tsy nisalasala naka fiara manidina niala tao Paris ny faha 17 desambra 2015 ary nihazo an’i  Madagasikara.

Ny hany voan-dalana nentiko tamin’izany dia ny fananganana ny « ONG MADASUN DIRM » izay efa novolavolaiko tato an-tsaiko fotoana fohy talohan’io fanapahan-kevitra io. Ny lahatsoratra sori-dalana hitondrana izany no nanome hery ahy hijoro sy hiroso amin’ny fanatanterahana ny hafatr’i Dada.

 

Voninahitra ho ahy, Mpanorina, no mampahafantatra ny rehetra ny mikasika ny fototra ijoroan’izany ONG izany sy ny tanjona tiany ho tratrarina.

Ny « ONG MADASUN DIRM » dia miompana amin’ny fampiroboroboana maharitra ny tontolo amin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitra sy fifanomezan-tanana miainga amin’ny hery voajanahary rehetra misy.

 

Isaorako manokana eto ny olona iray izay tsy mety ho tononona anarana, tsy nisalasala sy nandany ny fotoanany sy ny volany, nanoro sy nampianatra ahy, tamin’ny fananganana ny ONG .

Ankehitriny , raha afaka mirehareha isika fa manana ny « MADASUN DIRM » ho fitaovana sy sehatra hanatontosana fampandrosoana mendrika sy maharitra dia noho io olona io sy i« DADA ».

 

Ny hany hafatro dia ity : « Raha manangan-javatra eo amin’ny fiainana ianao dia makà aina raha mahatsiaro reraka, manàna faharetana fa aza mijanona raha tsy efa vita tanteraka ny fananganana izay natomboka ».

 

Ho ela velona anie « MADASUN DIRM »

 

RAKOTOARISOA-ANDRIANTSIFARITANA Ihary Mireille, "Mimi"

Madagascar "l'île rouge"
Madagascar "l'île rouge"

Eau - changement climatique

Ry tanindrazanay malala ô!
Ry tanindrazanay malala ô!